Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
-Notokanana androany 31 Jolay 2025 ny Kaomisaria Boriborin-tany voalohany Ambodimanga ao Toamasina. Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ; notronon’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny MInisteran’ny Filaminambahoaka foibe sy ny Talem-paritra maromaro tonga any an-toerana.
-Nanome voninahitra ity fotoana ity ny Préfen’ny faritra Antsinanana, ireo olom-boafidy avy ao amin’ny faritra Atsinanana sy ao Toamasina ary ireo manam-boninahitra miaramila sy sivily.
-Tafiditra tanteraka anatin’ny drafitr’asan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka amin’ny fanatanterahana ny paikady « Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka » sy fampiharana ny politikam-panjakàna ho fametrahana fandriam-pahalemana maharitra izao fitokanana ny Kaomisaria eny anivon’ny vahoaka izao. Hanamafy ny fitandroana ny filaminana eto Toamasina rahateo ihany koa.
Nisaotra sy nidera ny ezaka nataon’ny Minisitry ny Filaminambahoaka ny manam-pahefana izay nosoloan’ny Prefe tena amin’ny ezaka izay ataony mba ampandriana fahalemana ny faritra Atsinanana.

TOAMASINA : NOTOKANANA NY KAOMISARIA BORIBORIN-TANY VOALOHANY AO AMBODIMANGA

Vous pourrez aussi aimer