🛡️ Ady amin’ny vaky trano sy ny asan-jiolahy
👮‍♂️ Lehilahy iray efa mpamerin-keloka no tratran’ny Polisy tao Manaingazipo, Kaominina Ambohibary, ny 08 Novambra 2026, rehefa namaky fisoko tao Ambaniavaratra, Kaominina Tsaratanana.
🎯 Niantso Polisy ny tompon-trano, ka nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro ny filampinana raha vao naheno izany.
Tratra niaraka tamin’ireo zavatra nangalarina ilay lehilahy.
➡️ Mitondra antsy « cadenas » izy rehefa manao ny asa ratsiny mba hanidiany ny varavaran’ny olona angalarany avy aty ivelany.
📌 Nentina ao amin’ny Kaomisaria Tsaratanana izy hatao fanadihadiana ary fantatra fa efa nigadra tao Maevatanana.

TSARATANANA : MPAMAKY TRANO EFA MPAMERIN-KELOKA TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY NAMAKY FISOKO

Vous pourrez aussi aimer