MITSANGANA RY POLISY

Mitsangana ry Polisy

Ka efao ny adidinao

Dieny fe-potoana misy

Tombon’andro ho anao

 ))§§§§§§§§§((

Mitsangana mba hanampy

Sy hanolotra ny soa

Fikirizana dia ampy

Ny vahoaka ho afa-po

 ))§§§§§§§§§((

Ny Polisy anie no andry

Ho an’ny filaminana

Ka mijoro tsy tafandry

Ho an’ny fahamarinana

 ))§§§§§§§§§((

Fa n’Agents na Commissaires

Aoka hiara-hiasa koa

Mifanajà mifandefera

Izay no tarigetra soa.

© ANDRIAMAMONJY Christophère