NY TENIN’NY MINISITRA

Mianiana aho fa:
– hanatanteraka ny andraikitra maha-minisitra ahy amin’ ny asa fampandrosoana ny firenena, am-pahamarinana sy am-pahendrena;
– Tsy hikatsaka afa-tsy ny tombotsoa ambonin’ ny firenena sy ny Vahoaka Malagasy;
– Hanao ny ezaka rehetra hanasoa ny vahoaka ary hitondra vokatra haingana sy azo tsapain-tanana, eo amin’ ny departamanta izy sahaniko. Ary raha tsy tanterako ny asa sy ny fanamby nankinina amiko dia hametra-pialana aho ;
– Tsy hanao kolikoly ary manaiky fa ho enjehina sy ho ahitsy araka ny lalàna manan-kery, raha sanatria manao izany.

Amin’ ny alalan’ io fianianana io no anolorako ny arahaba ho an’ ny Polisimpirenena tsy an-kanavaka, amin’ izo fandraisako ny fitantanana ny Minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka izao. Heveriko fa mahafintina ny lalan-tsaina hampiroboroboana sy hanatsarana hatrany ny fomba fiasa eto anivon’ ny Polisimpirenena izany, izay mifandraika amin’ ny vina sy fomba fijerin’ Andriamatoa Filoham-pirenena ho amin’ ity 05 taona faharoa amin’ ny taom-piasanyt ity.
Araka izany dia hamafisintsika ny fitsinjoavana ny maha-olona sy ny ady amin’ ny kolikoly, satria “Polisimpirenena lavitry ny kolikoly no fanamby aperaky ny Minisitera”.

Ny fanavaozna rehetra napetraka dia entina hanatsarana ny rafitra sy ny fomba fiasa mba ahazahoana vokatra tsaratsara kokoa ; raha tsy iresaka afa-tsy n yeo anivon’ ny sampan-draharaha misahana ny fanomezana pasipaoro aho. Fa amin’ ny ankapobeany, ny fanarahana ny lamina sy ny fitsipika no fanalahidin’ ny fahombiazana.
Ny fiarahantsika mientana, hanohizana ny tsara efa vitantsika, sy ny fikirizana ahatratrarana ny fanamby napetraka no anaovako antso avo amintsika rehetra mpiara-miasa eto anivon’ny Polisimpirenena.
Misy ny asa tsy maintsy atao ato anatin’ ny 100 andro, araka any toromarika nomen’ Andriamatoa Filoham-pirenena : mahakasika ny fiarovana ny olona marefo amin’ ny alalan’ ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ ny miralenta sy ny fanararaotana ara-nofo ny zaza, ny ady amin’ ny tsy fandriampahalemana an-tanan-dehibe sy ny kolikoly ary ny fanafainganana ny fanomezana ny pasipaoro lavitry ny mpijirika. Tsy ataontsika ambanin-javatra ihany koa anefa ny asa efa mahazatra antsika eo amin’ ny lafiny fisorohana izany, na eo amin’ ny fanenjehana ny fandikan-dalàna, ka ataontsika lalantsaina hanatanterahana an’ izany ny teny aina efa nofinidintsika dia ny “ Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka ”.

Araka izany, dia toky no omeko, fa tsy handraka ilo mby an-doha aho, fa hanao ny aiko tsy ho zavatra ho fanajana ny fianianana izay nataoko ; ary hanandratra hatrany ny soatoavin’ ny fianakaviamben’ ny Polisimpirenena. Miantso antsika rehetra aho, hifanome tanana, araka any hira fanevantsika, mba tsy ho raraka an-tany ny ezaka ef nataon’ ny isam-batan’ olona, ka hiaraka hisikim-ponitra hanabe voho ny Polisimpirenena. Ny Polisimpirenena izay efa nanoloratsika tena ho an’ ny filaminana sy ny fandrihampahalemana, ka ho afaka hanatanteraka ny asany am-pitoniana ny vahoaka ho fampandrosoana an’ I Madagasikara.

Contrôleur Général de Police
RAKOTOARIMANANA Herilala
Minisitry ny Filaminam-bahoaka