– Ho fanamafisana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ireo heloka ara-bola samihafa, dia nanomboka ny 11 Mey ka haharitra hatramin’ny 13 Mey 2026 eny amin’ny biraon’ny SAMIFIN Ambohijanaka ny atrikasa sy fizaràna traikefa ho an’ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy mpianatra ho Officier de Police avy ao amin’ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisimpirenena (ENSP) Ivato Notarihin’ny Commissaire de Police ANDRIANIRINA Fanomezantsoa, lehiben’ny Sampan-draharaha fampiofanana ao amin’ny sekoly.
– Tanjona amin’izao ny hanamafisana ny fahalalàna ho an’ireo mpiofana, eo amin’ny sehatry ny fanadihadiana ara-bola sy ny famantarana ireo fivezivezen’ny vola mampiahiahy, indrindra amin’ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ireo heloka mifandraika amin’izany. Mandritra ireo telo andro ireo no hifampizarana fahalalana sy paikady maoderina enti-manadihady ireo tambajotra mpanao heloka ara-bola, na eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana na ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.
– Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana Andriamatoa RABE Anjaralalaina Miandrisoa, “Directeur de Recherches et Analyses Financières” eo anivon’ny SAMIFIN. Nasongadiny fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny SAMIFIN sy ny Polisimpirenena amin’ny ady atao amin’ny famotsiam-bola, ary tena ilaina ny fananana fahalalana lalina momba ny fivezivezen’ny vola mampiahiahy sy ireo paikady vaovao ampiasain’ireo mpanao heloka ara-bola amin’ny famotsiam-bola.
– Hovelabelarina mandritra ny fiofanana ireo fomba sy paikady entina manao fanadihadiana amin’ny famotsiam-bola, ny famotoroana ny heloka ara-bola ary ireo fandikan-dalàna mety hiteraka famotsiam-bola. Hojerena manokana ihany koa ny sehatry ny “crypto-monnaie”, ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana, ireo endrika samihafa isehoan’ny kolikoly, ny fanadihadiana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ary ny paikady fanaraha-maso ara-bola ampiasaina amin’ny fanadihadiana maoderina.
– Nisy ihany koa ny fanazavana sy famelabelarana manokana nataon-dRamatoa RALIVOLOLONA Hanitra, mpahay lalàna avy ao amin’ny ORG TRAFFIC, mahakasika ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ireo biby sy zava-maniry arovana eto Madagasikara, ny fampiroboroboana ny varotra ara-dalàna momba ireo karazana biby sy zava-maniry izay azo hanaovana izany, ary ny fisorohana ny varotra tsy ara-dalàna sy ireo fandikan-dalàna mifandraika amin’izany.
– Izao fiofanana sy fizaràna traikefa izao dia maneho ny ezaka ataon’ireo rafitra miady amin’ny heloka ara-bola eto Madagasikara amin’ny fanomanana ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Polisimpirenena ho matihanina sy mahafehy ny fanadihadiana rehetra amin’io sehatra io rehefa am-perinasa.

SAMIFIN – POLISIMPIRENENA – FIZARANA TRAIKEFA : MPIANATRA HO COMMISSAIRE DE POLICE SY OFFICIER DE POLICE AVY AMIN’NY ANDIANY “MIAHI” NISITRAKA FAMPIOFANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY FAMOTSIAM-BOLA

Vous pourrez aussi aimer