❌ Ady amin’ny asan-jiolahy đź‘® Mitohy tsy mijanona ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka (DRSP) Vakinankaratra amin’ny famongorana ireo asa ratsy isan-karazany. Hetsika nifanesy mantsy no nahatrarana lehilahy dimy (05) malaza ratsy amin’ny vaky trano sy fanendahana.
