– Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, tao amin’ny biraony tao Anosy, Andriamatoa LIU Wei, Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina vaovao miasa sy monina eto Madagasikara, ny Alakamisy 12 Novambra 2026.
– Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny filaminana ny dinika . Voaresaka nandritra izany ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, ny fanatanterahana fiofanana sy atrikasa iarahana, ary ny fanomezana fitaovana sy teknolojia hanatsaràna hatrany ny asan’ny Polisimpirenena Malagasy.
– Nohamafisina manokana ny ady amin’ny fisolokiana anabaka (scamming ; escroquerie en ligne), ny fanadihadiana nomerika ary ny fifanakalozana vaovao, ho fiarovana ny vahoaka sy iadiana amin’ny heloka bevava anabaka.

MADAGASIKARA SY CHINE : NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA TAO AMIN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA NY MASOIVOHO VAOVAON’NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA.

Vous pourrez aussi aimer