Henjana ilay fihibohana lavareny, miteraka fahasahiranana ho an’nyrehetra. Raha tiantsika ny hiala haingana amin’ity fihibohana ity dia ndao hiara-mientana amin’ny fanarahana ireo lamina sy fepetra napetraka handresena ity aretina COVID 19 ity.

– Aza mivoaka ny trano raha tsy tena anton-dia maika sy tsy azo ialana ;

– Raha tsy maintsy hivoaka dia manaova arotava, aza atao eo amin’ny saoka, aza atao am-paosy.

– Hajao ny elanelana iray metatra amin’ny olona mifampiresaka na mifanerasera aminao.

– Fadio ny mivorivory. Nymahasoa aloha vao ny mahafinaritra ka atsaharo ny lalao samihafa toy ny fampiadiana akoho, korana miaraka…

– Ekena fa zava-dehibe amintsika Malagasy ny fifanotronana amin’ny fahoriana nefa ilaina ny fitandremana sao ny velona indray no hanara-dia ny efa maty ka aza mitangorongorona miandry faty. Mafy izany teny izany nefa izany no marina.

– Aza mifamangivangy na mifampitsidika fa rehefa tapitra ny aretina manao misimisy. « Ny Havana tsy hita ela ange hamonoana akoho mikotrika e »

COVID-19 : MIISA 405 NO FANTATRA FA MITONDRA ILAY VALAN’ARETINA ANDROANY,ARY 106 NO NAMOY NY AINY HATRETO HAFATRA AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer