CSP7 67 HA – FANGALARANA : MODY MANAO VOADONAN’NY FIARA KANEFA HANGALATRA ENTANA NO TANJON’IZY ROALAHY. TRATRAN’NY POLISY TEO AM-PANAOVANA NY ASA RATSINY

✅ Izy roalahy ireto dia kinga amin’ny hevi-dratsy eo amin’ny fangalarana entana ao anaty fiara.
? ?Mody manao voadonan’ny fiara ny iray ka rehefa mivoaka ny fiara ny mpamily dia ilay lehilahy faharoa no mijokojoko maka izay entana hitany ao anaty fiara. Fomba ataon’izy ireo ihany koa rehefa mitohana ny fifamoivoizana ny mikapoka ny fiara ao aoriana ka vao mivoaka mijery izany ny mpamily dia efa misy olona maka ny entana ao anaty fiara.
?‍♂️? Nahazo angom-baovao mahakasika ity tranga ity ny Polisy ka nanao fanamiana sivily niandry ny asa ratsin’izy ireo. Tratra tetsy 67ha teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roalahy ireto ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

CSP7 67 HA – FANGALARANA : MODY MANAO VOADONAN’NY FIARA KANEFA HANGALATRA ENTANA NO TANJON’IZY ROALAHY. TRATRAN’NY POLISY TEO AM-PANAOVANA NY ASA RATSINY

Vous pourrez aussi aimer