🍁 Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
📅 Ny 27 Mey 2026 atoandro, nandritra ny asa fisafoana mahazatra teny amin’ny Fasan’ny Karana, nahatsikaritra lehilahy iray nitondra kitapo sady nampiahiahy ny Polisy miasa ao amin’ny komisaria Mahamasina.
⛔Nasaina mba hijanona entina hanatona birao ny tenany mba hanaovana fisavana saingy nandositra tampoka ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana.
👼 Tratra ihany ilay lehilahy ary nandritra ny fisavana ny kitapo teny aminy no nahitana rongony milanja 6,8 kilao tao anatiny.
⛓ Nentina natao andrimaso ilay voasambotra ary misokatra ny fanadihadiana. Manohy ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony sy ny zava-mahadomelina hatrany ny Polisimpirenena mba hiarovana ny tanora tsy ho roboka amin’izany

FASAN’NY KARANA : LEHILAHY IRAY TRATRA NITONDRA RONGONY MILANJA 6,8 KG

Vous pourrez aussi aimer