– Fanavaozana sy fandraisana an-draikitra amin’ny maha olom-pirenena
– Ny 16 Aprily 2026, natomboka teto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny fisoratana anarana biômetrika ao anatin’ny tetikasa « Izaho Tokana » ho an’ny Polisimpirenena.
– Ity dingana ity dia manamarika ny fanombohan’ny fampiharana ny rafitra biômetrika, fiarovana ny maha izy azy ny olom-pirenena iray, anatin’ny firaketana ny soram-piankohonana. Zo sady adidy araka izany ny fisoratana ananara biometrika ka mampiseho ho ohatra sy maodely amin’izany ny Polisimpirenena ary mandray anjara mavitrika.