🛡️ Fiarovana ny ankizy amin’ny hala-jaza sy ny herisetra
👉 Nanatanteraka fanentanana momba ny fiarovana ny ankizy amin’ny hala-jaza sy ny herisetra ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) Tsaralalàna, izay notarihan’ny Lehiben’ity sampana ity ny 06 Novambra 2026, teny amin’ny Association Meal Espoir Namontana.
👮‍♂️ Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, ka notsindriana manokana ny andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny fiarovana ny zanany manoloana ny firongatry ny hala-jaza.
👥 Maro ireo tanora sy olon-dehibe liana tamin’ity hetsika ity ka nisitraka izany fanentanana izany ary samy nahazo fahalalàna ho entina miatrika ny fiainana andavan’andro sy ny fiarovana ny ankizy.
✅ Velom-pisaorana izy ireo tamin’ny fanentanana sy fahalalana nozaraina.
👮‍♂️ Azo atao hatrany ny miantso ny BFP mba ho fiaraha-miasa amin’ny hetsika tahaka izao ka ity ny laharana an-tariby ahazoana azy ireo : 034 05 350 13

BRIGADE FÉMININE DE PROXIMITÉ TSARALALÀNA : FANENTANANA MOMBA NY FIAROVANA NY ANKIZY NOTANTERAHINA TAO NAMONTANA

Vous pourrez aussi aimer