🛡️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
👮‍♂️ Ny 12 oktobra 2026 tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro amin’ny lera firavan’ny mpianatra no nisy nahatsikaritra ity lehilahy ity teo Behenjy Itaosy manaraka ireo mpianatra mirava avy ato aoriana.
🎯 Nampandre avy hatrany ireo Polisy miasa eo amin’ny Kaomisaria Itaosy ity olona tsara sitra-po ity ka voasambotra ity mpanendaka ity.
📌 Mbola tratra tany aminy avokoa ireo gourde an’ny mpianatra nangalariny.
🚨 Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nokasainy amidy ireo entana nangalariny ireo ary hividianany « rôrô » ny vola rehefa lafony.
âś… Ankasitrahana hatrany ny fanomezam-baovao avy amintsika mpiray Tanindrazana hisorohana ny tranga tahak’izao.
⚠️ Tsara ny mampahatsiahy fa manimba ny fahasalamana sy ny hoavin’ny tanora ny fidorohana zava-mahadomelina. Mety hitarika amin’ny fahaverezan-tsaina, ny fiankinan-doha ary ny firosoana amin’ny asa ratsy izany. Koa antsoina ny tanora mba hahay handà izany ary hisafidy ny lalana tsara ho amin’ny hoavy mamiratra.
ITAOSY : LEHILAHY IRAY MANENDAKA IREO MPIANATRA MIRAVA AVY MIANATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.
