– Hetsika Fampanarahan-dalàna.
– Ao anatin’ny ezaka fanatsaràna ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny mpampiasa lalana ary indrindra ho fisorohana ny loza, dia manamafy ny hetsika fisavàna manokana ireo kodiarandroa ny Polisimpirenena eto Antananarivo Renivohitra. Amin’ny alina sy amin’ny atoandro.
– Raha ny hita ny alin’ny 27 Oktobra 2026 dia kodiarandroa miisa 370 no voasava, ka nahitana 52 nanao taingim-be, 256 tsy nanao aroloha, 50 tsy nanana fahazoan-dalana hamily kodiaran-droa ary 10 ireo nitondra tao anatin’ny hamamoana.
– Ankoatra izany, dia miisa 101 ireo moto voasazy (verbalisée) nandritra izao hetsika izao raha toa ka nomena fampitandremana sy efa noraisina ny mombamomba ireo ambiny ka miroso amin’ny fanasaziana raha mbola misy famerenana.
– Manentana ny mpampiasa lalana rehetra ny Polisimpirenena mba hanaja hatrany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, indrindra ny fampiasàna aroloha sy ny fananana fahazoan-dalana hamily kodiaran-droa, ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ho fiarovana ny aina.
– Hitohy andro aman’alina izao hetsika izao mba hisorohana ireo lozam-pifamoivoizana matetika miseho.

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: MIHAMAFY NY HETSIKA FISAVANA KODIARANDROA ATAON’NY POLISIMPIRENANA.

Vous pourrez aussi aimer