– Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana
– Dahalo roa malaza ratsy ary efa nokarohina ela no voasambotry ny Polisimpirenena ny 09 May 2026 noho ny fakàna an-keriny, fandrahonana ho faty ary halatra omby tao amin’ny fokontany Ambatoaranana, Kaominina Andriamena, Distrikan’i Tsaratanana.
– Efa nokarohina efa ela izy roalahy ireto ary taorian’ny fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo dia tratra ireo jiolahy ireto, izay efa fantatra amin’ny asa ratsy sy fikambanan-jiolahy any an-toerana.
– Tamin’ny taona 2023 no nisy fanafihana nataon’izy ireo tao amin’io tanàna voalaza io ka very ny omby miisa fito ary mbola tsy hita popoka hatramin’izao ny raim-pianakaviana izay nalaina an-keriny tamin’izany.
– Notanana hanaovana fanadihadiana ireto jiolahy ireto alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
-Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana ho sahy hitoroka sy hanome vaovao momba ireo olon-dratsy. Misy amin’izy ireny no mialokaloka any anaty fiaraha-monina.

 

TSARATANANA : DAHALO ROA MALAZA RATSY AMIN’NY FAKANA AN-KERINY SY HALATRA OMBY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer