👮‍♀️ Notanterahina tao amin’ny efitrano fivoriana ao amin’ny Hôtel IBIS Antananarivo, ny 19 Mey 2026 ny lanonam-panokafana ny fiofanana mahakasika ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy ireo teknolojia nomerika hanamora ny asan’ny Polisy mpanao fanadihadiana, amin’ny raharaha fanararaotana ara-nofo ny ankizy anaty tambazotran-tserasera.
👥 Polisy miisa 15 sy zandary miisa 15 ary solontena iray avy any amin’ny Nosy Maorisy no nisitraka izany, raha olona maherin’ny 150 avy amin’ny firenena afrikanina sy firenena any Azia Andrefana kosa no manaraka izany amin’ny alalan’ny fampiofanana ampitain-davitra.
🎯 Tanjona ny fanamafisana ny fiarovana ny ankizy manoloana ireo loza ateraky ny tontolo nomerika ary indrindra ny fanafainganana ny fanadihadiana sy fikarohana fandikan-dalàna manodidina izany.
🤝 Ity fiofanana ity dia karakarain’ny Office des Nations Unies contre la drogue et le crime (ONUDC), miaraka amin’ny “Institut inter-régional de recherche des Nations Unies sur la criminalité et la justice” (UNICRI) ary ny Governemantan’ny Emirà Arabo Mitambatra.
👉 Tonga nanatrika ny lanonam-panokafana ny Tale misahana ny Polisy mpikaroka fandikan-dalàna (Direction de la Police Judiciaire) , ny Commissaire Divisionnaire de Police RABENANDRASANA Jean Marcel.
👮 Mpampiofana sy manampahaizana miisa dimy avy amin’ny fikambanana “AI for Safer Children” no mitarika ny fiofanana ary haharitra telo (03) andro izany.

NAHAZO FIOFANANA MOMBAN’NY FAMPIASANA NY FAHARANITAN-TSAINA ARTIFISIALY (IA) HIADIANA AMIN’NY FANARARAOTANA ARA-NOFO ATAO AMIN’NY ANKIZY AO ANATY TAMBAJOTRAN-TSERASERA IREO POLISIMPIRENENA MPIKAROKA FANDIKAN-DALÀNA

Vous pourrez aussi aimer