đź‘® Vehivavy roa sy lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha miady amin’ ny heloka bevava Anosy noho ny raharaha fanafihana mitam-piadiana sy vona olona nitranga teny Avaratra Antanimora ny alin’ny 30 Martsa 2026.
đź’° Tokantranona teratany vahiny iray no lasibatr’izy ireo tamin’io fotoana io. Novonoin’izy ireo ny mpiambina iray ny tanĂ na ka very tamin’izany ny vola 35 tapitrisa ariary. Noratrain’izy ireo ihany koa ny tompon-trano nandritra ilay fanafihana.
📌Niroso tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana rehetra ny Polisy avy ao amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava nanomboka tamin’izay. Fantatra fa vehivavy roa : 39 taona sy 23 taona izay efa samy niasa tao amin’io tera-tany vahiny io ary manana ny dika mitovy amin’ny fanalahidy ao an-trano no atidoha nikotrika ilay fanafihana. Lehilahy roa no mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo ka mbola karohina ny iray.
📍 Ny 19 Mey 2026 tamin’ny 6 ora maraina no voasambotra tao an-tranony teny Marohoho Tsimbazaza ny vehivavy iray. Izy no nanoro ny toerana nisy ny vehivavy iray hafa ary voasambotra teny Tsiadana tamin’io andro io ihany koa ny lehilahy iray niara nanatanteraka ilay halatra miharo vono olona tamin’izy ireo.
🗣️ Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany ireo voasambotra. Nambaran’izy ireo fa ny ampitson’ny fanafihana, izany hoe ny 31 Martsa 2026, no nifampizara ny vola azo tamin’ny halatra izy efatra ary samy nandositra niala teto Antananarivo taorian’izay.
🎯Natolotra ny fampanoavana ny 26 Mey 2026 ny raharaha ka voatazona am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy ary eny Antanimora kosa ireo vehivavy miisa roa.
FANAFIHANA MPANDRAHARAHA VAHINY TENY AVARATRA ANTANIMORA : VEHIVAVY ROA SY LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY RAHARAHA FANAFIHANA MITAM-PIADIANA NIAMPY VONO OLONA
