👉 Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanamafisana ny filaminambahoaka eto Antananarivo. Tao anatin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia olona telo no nosamborina tamin’ny raharaha samihafa nahakasika fanakorontanana sy herisetra natao tanaty bar, fikasàna hanendaka finday ary fanohintohinana mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany.

👮 Teny 67HA, lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Tsaralalàna ny alin’ny 24 Mey 2026, taorian’ny antso vonjy nataon’ny tomponà toerana fisotroana iray. Nandefa “Big Boss” sy nampitahotra ireo olona tao anatin’ilay toerana ity lehilahy ity ka niteraka savorovoro sy tahotra teo amin’ireo mpanjifa. Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka nahavita nisambotra azy avy hatrany.

🛡️ Tetsy ankilany, teny Faliarivo Ambanidia, tovolahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faharoa noho ny fianendahana finday ny Alahady 24 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 12 ora sy 50 minitra. Tsy tontosa ny asa ratsiny satria voatazon’ilay tompony ny finday nokasaina halaina ary tonga haingana ihany koa ny Polisy. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka ilay voasambotra.

đźš” Tetsy Andranonahoatra Itaosy kosa, lehilahy iray nitondra moto scooter no nosamborin’ny Polisimpirenena nandritra ny sakana ara-piarovana natao ny alin’ny 22 Mey 2026. Mamo moa ity lehilahy ity no sady tsy nanana fahazoan-dalana hitondra moto ka naniratsira ireo Polisy nanatanteraka ny asany. Nentina natao famotorana tao amin’ny biraon’ny komisaria CSP Itaosy izy noho izany.

🏪 Tao Ambodin’Isotry Cité, lehilahy iray no nosamborin’ny Polisimpirenena ny maraim-ben’ny 25 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 04 ora. Tratra ambodiomby tamina vaky trano sy halatra tao amin’ny tranombarotra fivarotana lamba iray akaikin’ny EPP. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena no nahitàna trano fivarotana friperie nisokatra ka nampiahiahy, nisy entana efa voaangona nipetraka teo ivelany. Fotoana fohy taorian’izay dia lehilahy iray nitondra harona no nanatona ilay toerana ka nosamborina teo no ho eo ary niaiky fa avy namaky ilay fivarotana izy.

📍 Teny amin’ny Coliseum Analamahitsy ihany koa dia lehilahy iray no voasambotra, tratra ambodiomby teo am-panaovana sinto-mahery ary nahitana finday halatra telo teny aminy nandritra ny fisavĂ na nataon’ny Polisy, efa tazonina atao andrimaso ao amin’ny CSP8 a ery hatao famotorana.

đź”¶ Teny Bevalala dia lehilahy roa no tratra ambodiomby nangalatra finday ana mpijery fampisehoana ny Alatsinain’ny Pantekoty. Samy noentina natao famotorana ao amin’ny PPA Soavina avokoa izy ireo.

➡️ Tetsy Ankaraobato tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva ny Alatsinain’ny Pantekoty, vehivavy 18 taona nivoaka hividy fahana no niharan’ny fanendahana sy herisetra nataona jiolahy roalahy. Noho ny antso vonjy anefa dia nifandrimbona ny fokonolona nisambotra ireto olon-dratsy ireto ka nisy niantso ny Polisy. Tazonina ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato izy ireo ho ny tohin’ny famotorana.

📌 Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa hitohy tsy an-kijanona ny ezaka amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny ady amin’ny asan-jiolahy ary ny tsy fanarahan-dalàna mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : OLONA VALO NOSAMBORIN’NY POLISIMPIRENENA TAMINA FANIDIKAN-DALANA SAMAHIFA TOY NY HERISETRA, HALATRA FINDRAY, FANENDAHANA ARY FANOHERANA MPITANDRO FILAMINANA ARY VAKY TRANO

Vous pourrez aussi aimer