⚡Ny Alatsinainy 18 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, taorian’ny vela-pandrika maty paika no nahatratrarana ireto tsy mataho-tody ireto. Taolam-paty miisa 19 gony izay efa tsara afina no tratra tamin’izy ireo.
📞Naharay loharanom-baovao ny Polisy ny 16 Mey 2026 momba ity trafika ity.
🚩Teo amin’ny lalana anelanelan’i Andilamena sy Sahavolo, tokony ho 1 km miala ny tanàna, no nanafenan’ireo mpanao ratsy an’ireo.
👮♂️Olona miisa telo (03) no voasambotra avy hatrany,
raha tafaporitsaka ny namany hafa izay efa karohina amin’izao.
✅ Mbola tratra teny amin’izy ireo ny angady, antsy, ary ody gasy maromaro.
⚖️Ireo taolam-paty dia noentina amin’ny Komisaria ary efa nanaovan’ny mpitsabo fizahana.
🎯 Efa nanokafana fanadihadiana ireto voasambotra ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny famotorana.
📣 Voaporofo indray fa ahitana fahombiazana hatrany ny fifampatokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Entanina hatrany ireo olom-pirenena ho sahy hitoroka ireo olon-dratsy fa tanana tsiambaratelo ny momba ireo mpanome vaovao.
ANDILAMENA : TAOLAM-PATY 19 GONY TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA, OLONA TELO VOASAMBOTRA
