-Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
-Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria boriboritany faha enina etsy Ambohimanarina sy ny UIR Tsaralalana ny 20 Mey 2026 tokony tamin’ny 08ora sy sasany maraina teo Andraharo ny Jiolahy roa, izay isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana tompona cash point teny an-toerana.
-Naharay antso ny Polisy fa misy andian-jiolahy miisa 05 mitondra moto manafika tompona cash point iray eo Andraharo izay handeha hamonjy ny toeram-piasany, nambanan’ireto jiolahy tamin’ny basy sy antsy ity tompona cash point ity ary norobaina ny vola nentiny niaraka tamin’ny finday miisa 04. Tanatin’ny fotoana fohy dia fohy no nisehoan’ny fanafihana. Rehefa azon’ireto jiolahy izany dia nirifatra nitsoaka avokoa izy ireo saingy tonga teny an-toerana ny Polisy ka dia raikitra ny fanenjehena.
-Voasambotra tamin’izany ny roa, izay 23 taona sy 41 taona, mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana nampiasainy : Basy poleta iray sy antsy iray. Ireo namany telo kosa tafaporitsaka tamin’ny moto niaraka tamin’ny vola sy finday.
-Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ireo voasambotra hanaovana fanadihadiana.
-Manao ny fomba rehetra hahatratrarana ireo tafaporitsaka ny Polisimpirenena, miantso ny mpiray Tanindrazana izay mety ho manam-baovao tsy hisalasala amin’ny fitorohana fa tanana ho tsiambaratelo tanteraka izany.
-Ny Polisimpirenena dia mijoro hiaro ny vahoaka ary tsy hamela mora foana ireo jiolahy hanjakazaka fa tsy maintsy handray ny andraikiny feno. Na izany na tsy izany, mitaona ny rehetra ho mailo hatrany fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy.

 

ANDRAHARO : JIOLAHY ROA TAMIN’IREO NANAO FANAFIHANA TOMPONA CASH POINT TENY ANDRAHARO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer