👮‍♂️ Ady amin’ny fakà na an-keriny sy fiarovana ny zaza ary ny olona marefo
🚔 Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Hery Vonjy Taitra (FIP) Menabe ity lehilahy iray ity ny alin’ny 23 Septambra 2026 tao Tsimahavaobe, Morondava, taorian’ny antso voaray momba ny fikasà ny haka an-keriny zazalahy kely iray 10 taona tany an-toerana.
🏢 Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisaria Foibe Morondava izy hanaovana fanadihadiana.
➡️ Voatazona am-ponja ity lehilahy ity rehefa natolotra ny Fampanoavana ny 28 septambra 2026.
âś… Manentana hatrany ny rehetra hahasahy hitoroka manoloana ireo trangĂ na herisetra indrindra ny mahakasika ny fahaverezana olona.