– Nitohy tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Polisimpirenena, izay notanterahina ny Alakamisy 24 Septambra 2026, tetsy amin’ny Katedraly Immaculée Andohalo.
-Fotoana nanamarihana ny dian’ny Polisimpirenena nandritra izay 65 taona izay, sady fitondràna am-bavaka ny asa andavanandro sy ny firenena.
– Tonga niara-niombom-bavaka tamin’ny Polisimpirenena araka izany ireo tompon’andraikitra ambony, solontena avy amin’ny minisitera sy sampan-draharaham-panjakana samihafa, ary ireo olo-manan-kaja moro sivily sy miaramila.
– Ny 30 Septambra 2026 kosa no hanatanterahana ny ivon’ny fankalazana, izay mbola hisy ny hetsika maro ho tanterahina ho fanamarihana izao fankalazana izao.
– Samy nanao hetsika tahaka izao avokoa ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka eran’i Madagasikara.
– Nandritra ny fandraisam-pitenenany ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, dia nanamafy fa mivoatra hatrany nanaraka ny vanim-potoana ny Polisimpirenena malagasy nandritra izay 65 taona izay.
– Notsindriany manokana fa ny tanjona dia ny hanakaiky hatrany ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fiarovana sy fanampiana azy ireo, ka ny asa rehetra tanterahin’ny Polisimpirenena dia hifototra amin’ny ezaka fametrahana fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : NITOHY TAMIN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA NY FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer