FIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA

✅️ Tonga nanao ny adidiny amin’ny maha-olom-pirenena azy, tao amin’ny biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Ambolamena, Commune BONGATSARA Antsimondrano, ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa.
🎤 Tamin’izany no nanambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana ary nanomboka omaly dia efa nasiana Polisy avokoa ny biraom-pifidianana mba ahafahan’ny vahoaka mifidy am-pilaminana.
✅️ Nisy moa ny biraom-pifidianana miisa 03 nisy nandoro, teny Ankadifotsy sy faritra Anosizato ka nanambarany fa tsy nisy ny fitaovana simba mety hanakana ny fanatanterahana ny fifidianana, saingy tokony ho mailo hatrany ireo sefom-pokontany, ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
📣 Nanamafy Andriamatoa Minisitry ny filaminam-bahoaka fa efa misy ny lamina napetraka ny amin’ny fiarovana ny fitaterana ny valim-pifidianana.
✅️ Amin’ny maha olom-pirenena hoy ihany izy dia manana zo hifidy aho ka tsy tokony ho hisy malagasy mihintsy hilaza hoe aza mifidy satria zo fototra izany.

FIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer