MSP -MNDPT : Nisitraka « tablettes  » miisa 119 avy amin’ny MNDPT ny Polisimpirenena

✅️ Zava-dehibe ho an’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny fiarahamiasa mba entina hanatsarana ny asa.
Araka izany dia nisitraka « tablettes » miisa 119 avy amin’ny MNDPT na ny Ministeran’ny Fampiroboroboana sy Fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ny Polisimpirenena.
🤝 Nanolotra izany ny Minisitra RAZAFINDRAMALO Tahina ary nandray izany kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny « Inspecteur Général de Police » RANDRIANARISON Fanomezantsoa sy ireo mpiara-miasa aminy.
🎤 Nanatitra ny fisaorana ho an’ny MNDPT ny tenany ary nanamafy fa tena ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa ireto fitaovana ireto fa indrindra amin’ny fanangonam-baovao sy ny fampitana izany ara-potoana amin’ny ambaratonga isan-tsokajiny.
✅️ Izao moa dia tafiditra amin’ny fanohizana ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta mba ho fanatsarana ny fitantanan-draharaha eny anivon’ny asam-panjakana .

MSP -MNDPT : Nisitraka « tablettes  » miisa 119 avy amin’ny MNDPT ny Polisimpirenena

Vous pourrez aussi aimer