CSP7: OLOMPIRENENA AFAPO TAMIN’NY FOMBA FIASAN’NY POLISY, TONGA NANOME FANOMEZANA.

✅️ Fanamby napetraka eto anivon’ny Polisimpirenena ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo olona manan-draharaha tonga manantona ny birao isan-tsokajiny.
🤝 Olon-tsotra afapo tamin’ny fomba fiasan’ny Polisy miasa ao amin’ny CSP7 no tonga nanatitra fanomezana ho azy ireo.
🖥 ⌨️ Solotsaina iray, 🖨 »imprimante » iray ary taratasy maromaro moa no natolotr’izy ireo.
🕝 Raha tsiahivina dia tonga nametraka fitoriana teny amin’ny CSP7 ireto olona ireto noho ny resaka halatra finday ny 28 Oktobra lasa teo. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy ka hita ilay finday lafo vidy ary naverina tamin’ny tompony ny zoma 03 novembre.
🤝 Nandray izany kosa ny lehiben’ny CSP7 sy ireo mpiara miasa aminy.

CSP7: OLOMPIRENENA AFAPO TAMIN’NY FOMBA FIASAN’NY POLISY, TONGA NANOME FANOMEZANA.

Vous pourrez aussi aimer