ENIAP ANTSIRABE – ANDIANY MAHEFA : POLISY VAOVAO MIISA 1362 NAHAVITA FIOFANANA

✅️ Ho fametrahana fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy dia nanao ezaka ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka mba hampitomboana isa ny Polisy.
Araka izany dia andiany vaovao misalotra ny anarana MAHEFA (Maturité-Approche-Honneur -Engagement-Force-Assiduité) no nivoaka ny sekoly ENIAP ny zoma 03 Novambra 2023 lasa teo.
👮👮‍♀️👮‍♂️Inspecteurs de Police miisa 219 sy Agents de Police miisa 1143 no nahavita ny fiofanana nandritra ny heritaona ka ny 147 amin’izany dia 👮‍♀️vehivavy raha 1223 kosa ny👮 lehilahy.
✅ Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka , ny Inspecteur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa . Tamin’izany no nanomezany fisaorana ho an’ireo mpanabe rehetra eo anivon’ny sekoly izay nikolokolo ireto andiany ireto ka nahazoana Polisy vaovao ankehitriny.
📣 Nanafatra ireto andiany ireto ny tenany mba hanaja ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny Polisimpirenena ary koa mba hanana ny fireharehana amin’ny maha Polisy azy ireo.

ENIAP ANTSIRABE – ANDIANY MAHEFA : POLISY VAOVAO MIISA 1362 NAHAVITA FIOFANANA

Vous pourrez aussi aimer