👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy fanamafisana ny filaminam-bahoaka.
👮‍♂️ Nandritra ny herinandro, dia nahitam-bokatra hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny Polisimpirenena tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Miisa 11 ireo olona voasambotra tany amin’ireo faritra samihafa, anisan’izany Amborovy, Ambondrona, Amparihigidro, Mahavoky Atsimo sy Avaratra, Tsararano Ambony sy Ambany, Bord, Fiofio ary Pont Fitim.
🔎 Raha ny fanadihadiana dia fantatra fa tompon’antoka tamin’ny karazana heloka ireo olona ireo, toy ny fanendahana, sinto-mahery, haro-paosy, fisolokiana eny amin’ny “cash-point” ary vaky trano.
⚖️ Misy amin’ireo voasambotra no efa natolotra ny fitsarana, raha mbola eo am-panaovana famotorana kosa ny sasany. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fiarovana ny vahoaka ary ny fananany.

OLONA 11 VOASAMBOTRA NANDRITRA NY HETSIKA FAMPANDRIANA FAHALEMANA TAO MAHAJANGA

Vous pourrez aussi aimer