– Ny 13 Jolay 2026 tamin’ny 11 ora sy 20 minitra, tao amin’ny quartier SOMACODIS Ambositra, dia nahita zaza sahabo ho 3 taona nirenireny irery ny Polisy nanao fisafoana ka nentiny avy hatrany tao amin’ny Kaomisarian’Ambositra (CSP Ambositra) mba hiantohana ny fiarovana azy sy hitadiavana ny fianakaviany.
– Tonga tao amin’ny biraon’ny Polisy ny reniny ary fantatra fa nandritra izy nampanoto vary no nahavotsotra ilay zaza teny aminy.
– Taorian’ny fanamarinana dia naverina soa aman-tsara teo an-tanan’ny reniny ilay zaza.
– Hamafisina hatrany ny fanentanana ho an’ny rehetra mba hitandrina kokoa amin’ny fikarakaràna sy fiarovana ny ankizy hisorohana ny tranga fahaverezan-jaza.
– Raha misy tranga mampiahiahy na ankizy very, antsoy ny 147 na manatona ny Polisimpirenena akaiky indrindra.

 

AMORON’I MANIA – KAOMISARIA AMBOSITRA : ZAZA VERY HITA SOA AMAN-TSARA ARY TAFAVERINA EO ANIVON’NY RENINY.

Vous pourrez aussi aimer