– Notontosaina ny Alarobia 29 Aprily 2026 ary mitohy anio Alakamisy 30 Aprily 2026, tetsy amin’ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisimpirenena (ENSP) Ivato, ny fandravonana sy fankatoavana ireo hevi-dehibe rehetra voaangona nandritra ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Polisimpirenena, izay notanterahina manerana ny Nosy, tany amin’ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka isanisany.
– Tonga nanokatra sy nanome voninahitra izany ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Polisimpirenena sy ireo talem-paritry ny Filaminambahoaka ary ireo solontena avy amin’ny kaomisiona samihafa.
– Nifantoka tamin’ny fandravonana sy fandrindràna ireo soso-kevitra sy vina vaovao entina hanavaozana ny Polisimpirenena ity dingana ity.
– Nivoitra tamin’izany ireo lohahevitra lehibe miisa valo izay fototra iorenan’ny fanavaozana lalina sy maharitra :
– Anisan’izany ny vinan-kasa sy ny fandaminana ary ny rafitra sy foto-pampianarana momba ny Filaminambahoaka; ny rafitra ara-dalàna, ny sata, ny deontolojia ary ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Polisimpirenena; ny fitantanana ny mahaolona, ny fifaninanana sy fandraisana mpiasam-panjakana ho Polisy, ary ny fitantanana ny fiakarana laharam-boninahitra sy ny famporisihana ; ny fanamafisana ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao matihanina ; ny fitantanam-bola sy ny tetibola ; ny fanatsaràna ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ; ny fanovàna nomerika sy ny fitantanana ara-informatika ; ny asa sosialy sy ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Polisy sy ny vahoaka, ary ny fandrindrana ny asa eny an-kianja, ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampandraharaha samihafa, ary ny fiatrehana ireo loza sy ambana vaovao amin’ny Filaminambahoaka.
– Tanjona lehibe napetraka ny fanavaozana ny fomba fiasan’ny Polisimpirenena eo amin’ny lafiny fitandroana ny fandriampahalemana mba ahafahan’ny olom-pirenena mihary sy miaina am-pilaminana, ka ho firenena azo antoka i Madagasikara.
-Manao ahoana ny endriky ny Polisimpirenena amin’ny taona 2036, izay no fanontaniana lehibe vahana mandritra ny fikaonan-dohampirenena ho an’ny Polisimpirenena.

FIKAONANDOHAM-PIRENENA HO AN’NY POLISIMPIRENENA : NOTANTERAHINA TENY AMIN’NY ENSP IVATO NY FANDRAVONANA IREO VETIN-KEVITRA REHETRA AVY AMIN’NY MPIZAIKA MANERANA NY NOSY

Vous pourrez aussi aimer