👉 Ady amin’ny tsy fahadriampahalemana
👮♂️ Nanao fisafoana tamin’ny fanamiana sivily teny amin’ny fari-piadidian’ny CSP4 Isotry ny Polisy, ny zoma 29 Aogositra 2026 noho ny fitaraina maromaro voaray tamina tranga harom-paosy sy vaky rano.
🔎 Teny Manarintsoa Afovoany, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 minitra atoandro, nahatsikaritra lehilahy roa nanaraka akaiky ireo olona mpiantsena ny Polisy.
🔗 Nosamborina avy hatrany izy ireo raha vao nanomboka hanatanteraka ny asa ratsiny. Anisan’izy ireo ny lehilahy iray efa mpamerin-keloka, izay efa karohin’ny Polisy noho ny raharaha harom-paosy sy vakitrano.
🏠Ny harivan’io andro io ihany, tokony ho tamin’ny 07 ora, dia lehilahy iray hafa koa no tratran’ny fokonolona am-bodiomby namaky trano tao Antohomadinika.
đźš” Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy nisambotra azy.
⚖️ Natao andri-maso mba hanohizana ny fanadihadiana izy telolahy ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita izany.
ISOTRY: JIOLAHY TELO VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY VAKY TRANO SY HAROM-PAOSY
