ANALAMANGA : FANENTANANA NY VAHOAKA MOMBA NY LOZA ENTIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA

👉 Ady amin’ny fiparitahana sy ny fidirohona zava-mahadomelina 👮‍♂️ Nanatanteraka fanentanana mikasika ny fiparitahana sy ny fampiasana zava-mahadomelina ireo Polisy avy amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina (STUP) , ny harivan’ny 20 Septambra 2026, teny amin’ny Fokontany Andohanimandrozesa.