🛡️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fanaovana hosoka.
🔎 RAHARAHA FANENDAHANA : lehilahy iray no voasambotry ny Polisin’ny UIR Mahajanga tao Tsaramandroso, ny 02 Novambra 2026, noho ny fivarotana menaka lavanila hosoka. Mbola tratra tany aminy ihany koa ireo fitaovana fampiasany amin’izany. Efa maro ireo olona voafitaka, ka mahatratra 3 000 000 Ariary ny hamarotany ny litatra iray.
🔎 RAHARAHA VONO OLONA : olona miisa telo no voasambotra noho ny raharaha famonoana teratany vahiny miisa roa tao Mahajanga izay niseho ny Aprily 2025 ny Septambra 2026.
đź‘® Tratra tany Ambatomainty Mahajanga ny 30 Oktobra 2026 ny lehilahy iray ary tany Sambava kosa no voasambotra ny mpivady iray ny 22 Oktobra 2026.
⚖️ Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena dia nidoboka am-ponja ireo olona miisa telo namono teratany vahiny ireo.
🎯 Mbola mitohy kosa ny famotorana ilay mpivarotra hosoka ary atolotra ny fampanoavana aorian’izay.
👮‍♂️ Manamafy hatrany ny ezaka ataony amin’ny ady amin’ny heloka bevava sy ny fiarovana ny vahoaka ny Polisimpirenena.
MAHAJANGA : OLONA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY RAHARAHA FISOLOKIANA, ARY RAHARAHA HAFA MOMBA VONO OLONA.
