– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Mitohy ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao Fianarantsoa amin’ny famongorana ny asan-jiolahy. Jiolahy miisa valo no saron’ny Polisimpirenena tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy ny fanangonam-baovao marim-pototra.
– Ny 10 aprily 2026, rava ny tambajotran- jiolahy iray nisy mpikambana enina efa nampikaikaika ny mponina tamin’ny resaka vaky trano teny amin’ny fokontany Ankofafa, Sahalava sy ny manodidina . Nandritra ny fisamborana azy ireo dia tratra ireo entana halatra isan-karazany toy ny milina fanjairana sy fitaovana samihafa.
– Ny 12 Aprily 2026 indray, lehilahy iray tratra ambodiomby nikasa hanao vaky trano teny Imandry no voasambotrin’ ny Polisy. Nahatrarana solosaina, finday sy fitaovana an-dakozia tany aminy, ka efa natolotra ny Fampanoavana sy nidoboka am-ponja izy ny 13 Aprily 2026.
– Mbola tamin’io andro io ihany, voasambotra teny Anjoma ny jiolahy iray malaza ratsy izay atidoha nikotrika vaky trano maro tao an-tanàna. Tamin’ny fotoana nahasamborana azy dia nahatrarana finday halatra teny aminy.
– Manamafy ny fahavononany amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny Polisimpirenena, ary miantso hatrany ny fiaraha-miasan’ny vahoaka amin’ny fanomezam-baovao mba hamongorana tanteraka ireo karazana ny asan-jiolahy .

 

FIANARANTSOA : HETSIKA « MAHOMBY » – JIOLAHY VALO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer