– Lehilahy iray fantatra amin’ny halatra moto no voasambotry ny Polisimpirenena ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ao Sabotsy Namehana taorian’ny fikarohana sy fampiasàna ny fahaiza-manaon’ny Polisy.
– Nahazo loharanom-baovao ny Polisy ka nanomboka ny fanarahan-dia an’ilay lehilahy voarohirohy. Tratra teny Ankadindramamy izy ny 20 aprily 2026.
– Taorian’ny fisamborana dia nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria izy, rehefa natao ny fisavàna ny tranony teny Antsampandrano ny 21 aprily 2026 dia tratra tao ilay moto very.
-Rehefa natolotra ny Fampanoavana ity voarohirohy ity dia nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Avaradrano.

 

ANTSOFINONDRY: MPANGALATRA MOTO IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer