ANTANANARIVO ATSIMONDRANO – TANJOMBATO : LEHILAHY 06 SY VEHIVAVY 02 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SY FIVAROTANA “COMPTEUR JIRO MORA” ARY FISANDOHANA HO MPIASAN’NY JIRAMA.

– Ady amin’ny halatra isan-karazany. – Manoloana ireo fitarainana maro voarain’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria foibe Antsimondrano mikasika tambazotran-jiolahy mitety tokantrano mangalatra kaonteran-jiron’ny JIRAMA, dia nanao fikarohana sy fanadihadiana lalina ny Polisy mba hamantarana sy hisamborana ireo tompon’antoka. –

ANALAKELY SY NY MANODIDINA : MPANGAROM-PAOSY SY MPANAO SINTO-MAHERY, MPILOKA AN-DALAMBE, VOASAMBOTRA TAMIN’NY HETSIKA MANOKANA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

– Fampiharana ny lalàna sy ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna Nanamafy indray ny ezaka ataony amin’ny fitandroana ny filaminambahoaka ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria CSP1 Analakely, tamin’ny alalan’ny hetsika manokana notanterahina nanomboka ny 22 Aprily 2026. -Manao fanamiana sivily ireo