– ‎Ady amin’ny asan-jiolahy.
– Jiolahy miisa efatra (04) voasaringotra amina resaka vaky trano sy herisetra no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria foibe ao Mahajanga, vokatry ny hetsika manokana nataon’ireo hery vonjitaitra (UIR) sy ny Polisy ao an-toerana.
‎- Ny 20 Aprily 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina, no voasambotra tao Ambondrona ny jiolahy roa izay isan’ny namaky trano tao amin’io fokontany io ny 16 Aprily 2026 lasa teo. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny Polisy avy ao amin’ny UIR sy ny Poste de Police ao Ambondrona no nahafahana nisambotra azy ireo.
‎-Ankoatra izay, jiolahy roa hafa koa no voasambotry ny Polisin’ny UIR ny talata 21 aprily 2026, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Ireto farany ireto dia tafiditra tamin’ny nanafika sy nampiasa herisetra tamin’ny vehivavy iray teo akaikin’ny trano fisotroana “After-beach” ny 17 aprily lasa teo, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny poketra nisy vola 1 000 000 ariary.
‎- Hatolotra ny fitsarana moa ireto voasambotra ireto rehefa vita ny famotorana azy.
– Ny Polisimpirenena dia mijoro hatrany miaro ny vahoaka sy ny fananany ary tsy mikely soroka amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra. Miantso hatrany ny olom-pirenena tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy any anaty fiaraha-monina.

 

MAHAJANGA: JIOLAHY MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer