🚭 Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
🚔 Lehilahy iray 57 taona no tra-tehaky ny Polisimpirenena nitondra rongony efatra harona, ny 16 novambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, tao Maroamboka, Kaominina Mandraka, Distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia.
đŸ‘źâ€â™‚ïž Araka ny fantatra dia mpivarotra rongony ity lehilahy ity ary niainga avy any Lehanja izy no nitondra ireo rongony ireo.
⚖ Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky izy fa mivarotra rongony, ary nambarany fa saika hoentina any Agnalambazaha, Distrikan’i Mananara Avaratra, ireo rongony ireo hamidiny.
☑Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ity lehilahy ity ka voatazona any am-ponja.

MANDRITSARA : LEHILAHY MPIVAROTRA ZAVA-MAHADOMELINA TRA-TEHAKINY POLISIMPIRENENA NITONDRA RONGONY EFATRA HARONA.

Vous pourrez aussi aimer