📌 Notanterahina ny 16 Mey 2026 tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimandroso, Distrikan’Amparafaravola, ny lanonam-pitokanana ny « vigie de Police » vaovao.
👮‍♂️ Notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Alaotra Mangoro, ny Commissaire Principal de Police RAKOTOVAO Jean Christian, ny Solombavam-bahoaka, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila tao an-toerana, ary notronin’ireo mponina tonga maro be.
âś… Notsindriana nandritra ny fifandimbiasam-pitenenana ny maha zava-dehibe ity biraon’ny Polisy manakaiky vahoaka ity amin’ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana.
🚨 Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimandroso no nahafahana nametraka ity fotodrafitrasa ity. Hiasa avy hatrany araka izany ny Biraon’ny Polisy vaovao ao Ambohimandroso ity.

FARITRA ALAOTRA MANGORO – KAOMISARIA AMPARAFARAVOLA : NOTOKANANA NY « VIGIE DE POLICE » AO AMBOHIMANDROSO.

Vous pourrez aussi aimer