👉 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
👮‍♂️ Manamafy hatrany ny asa fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisimpirenena ka jerena manokana ny paikady hidiana amin’ireo mpanao sinto-mahery sy fanendahana raha ho an’ny ao Antananarivo, Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga. Misy hatrany ny vokatra azo amin’ny alalan’ny fahatratrarana ireo jiolahy satria mametraka paikady manokana ny Polisy, toy ny fanaovana hetsika manao fanamiana sivily. Na izany na tsy izany, mitaona ny rehetra ho mailo, ary tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy mba hahafahana mandray fepetra.
🎯 Lehilahy iray mpifoka rongony no tra-tehaky ny Polisin’ny Kaomisaria Analakely nandritra ny fisafoana natao teny Antsahamanitra ny harivan’ny 14 May 2026. Niezaka niafina tao anaty lobolobo izy raha vao nahita ireo Polisy, saingy tratra ihany ka noraisim-potsiny. Rehefa nosavaina dia nahitana fonosana rongony teny aminy. Notanana eny amin’ny biraon’ny Polisy izy hanaovana fanadihadiana.
âś… Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery iray indray no voasambotry ny Polisin’ny UIR ny 14 May 2026 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teny Antsahamanitra ihany. Tsikaritr’ireo Polisy fa nampiahiahy ny fihetsik’ity lehilahy ity ka nosamborina sy nentina nanaovana famotorana. Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky fa efa mpanao sinto-mahery eny amin’iny faritra iny izy ka ireo vehivavy no tena lasibany amin’izany.
📌 Jiolahy mpanao sinto-mahery iray hafa ihany koa no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny UIR ny 16 May 2026 teny Behoririka nandritra ny hetsika hiadiana amin’ny fanendahana sy sinto-mahery eto an-drenivohitra. Tsy nampoizin’ity jiolahy ity ny fisian’ireo Polisy manao fanamiana sivily efa nanao fanaraha-maso teny an-toerana ka dia noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy. Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa efa mpamerin-keloka izy.
✅ Nahitam-bokany ihany koa ny fisafoana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria CSP7 teny Ankasina sy 67Ha ny marainan’ny 16 May 2026. Jiolahy miisa telo no voasambotra vao maraim-be nandritra izany, rehefa tratra teo am-panendahana mpandalo iray. Tsy afa-nandositra izy ireo fa noraisim-potsiny avy hatrany.
⚖️ Samy notanana nanaovana famotorana avokoa ireo voasambotra alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

 

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : LEHILAHY MIISA ENINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA IREO HETSIKA HIADIANA AMIN’NY MPANAO SINTO-MAHERY, FANENDAHANA ARY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA

Vous pourrez aussi aimer