POLISIM-PIRENENA – MASOIVOHO FRANTSAY – MINISITERAN’NY FIZAHANTANY – FHORM : HAMETRAHANA TAKELAKA IREO TOERANA VOARARA HIDIRAN’IREO ZAZA TSY AMPY TAONA

✅ Hisy ny fametrahana takelaka ataon’ny Polisim-pirenena mandrara ireo ankizy tsy hiditra amin’ireny toerana voarara ho an’ny zaza tsy ampy taona ireny toy ny toeram-pandihizana, ny toerana hahitana zava-pisotro mahamamo ary ny toerana filokana .
? Ho fiarovana ny zaza malagasy amin’ireo karazana herisetra mety hianjady amin’izy ireo no antony hametrahana ireo takelaka ireo no sady ho fampahafantarana ny olona fa mahavoasazy ny fitondrana na koa fahitana ankizy miditra amin’ireny toerana ireny.
✅ Tonga nanolotra ireo takelaka moa Andriamatoa Christophe BOUCHARD Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara ary nandray izany kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Ny Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa RANDRIANARISON izay notronin’ny Minisitry ny fizahantany Andriamatoa Joël RANDRIAMANDRANTO ary ny talen’ny fikambanana misahana ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana ( FHORM) Jimmy RAKOTOARISOA .

POLISIM-PIRENENA – MASOIVOHO FRANTSAY – MINISITERAN’NY FIZAHANTANY – FHORM : HAMETRAHANA TAKELAKA IREO TOERANA VOARARA HIDIRAN’IREO ZAZA TSY AMPY TAONA

Vous pourrez aussi aimer