– Fampiofanana mitohy eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka
– Polisy miisa 14 avy amin’ireo fitaleavana sy sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka no nisitraka fiofanana manokana ho an’ny mpampiofana nandritra ny dimy andro.
-Niompana tamin’ny teknika fampitana traikefa sy fahaiza-manao ny fiofanana izay tontosa tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara dia ny « Direction de la Coopération Internationale de Sécurité » (DCIS) .
-Nanomboka ny 28 Septambra ka hatramin’ny 02 Oktobra 2026 ny fiofanana, ary natao tao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC), Antanimora.
– Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka mikendry ny hampivelatra sy hanatsara hatrany ny fahaiza-mampiofana eo anivon’ny Polisimpirenena izany.
– Tamin’ny famaranana dia natolotra ireo mpiofana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana, izay natolotry ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, niaraka tamin’ireo mpampiofana notarihiny Commandant Divisionnaire de Police Andriamatoa Frédéric LARTIGAU, Solontenan’ny fiaraha-miasa amin’ny masoivohon’i frantsa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.



