📅 Nanatanteraka hetsika sy fanentanana ny 15 Septambra 2026, tao Morondava Centre, ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) Morondava, ho fanamafisana ny fifandraisana amin’ny vahoaka.
📱 Nizara laharana ahafahana mifandray amin’ny Polisimpirenena ny BFP, mba ahafahan’ny vahoaka mampandre haingana ny Polisy raha misy tranga mahakasika herisetra, fakana an-keriny zaza na fahaverezan’olona.
🤝 Liana sy nandray anjara tsara tamin’izany ireo olona nanatrika.
📢 Ny fampandrenesana ara-potoana ny Polisy dia manampy amin’ny fisorohana sy fiatrehana ireo tranga mety hampidi-doza. Aoka isika hiara-hientana amin’ny fiarovana ny tsirairay.
✅ Azo atao ihany koa ny manao fitorohana ao amin’ny sehatra anabaka hiadiana amin’ny herisetra : 🌐 www.vbg.pn.gov.mg

BFP MORONDAVA : NIDINA TENY ANIVON’NY FIARAHA-MONINA NY BFP NANAO FANENTANANA HO FISOROHANA NY HERISETRA SY NY FAHAVEREZAN’OLONA.

Vous pourrez aussi aimer