👉 Fijerena ny lafiny maha-olona
🎖️ Lanonana roa sosona no notanterahina ny Alarobia 16 Septambra 2026, tetsy amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato.
🔘 Nanomboka tamin’ny fametrahana galona ho an’ireo Polisimpirenena nahazo fisondrotana manokana amin’ny laharam-boninahitra izany. Izao no tontosa dia noho ny fankatoavana avy amin’ny fitondram-panjakàna fanavaozana.
🔷 Araka izany dia nisy ireo nisitraka ny fisondrotana laharam-boninahitra ho Commissaire Divisionnaire de Police ; Commissaire Principal de Police ; Commissaire de Police de 1ere classe ; Commissaire de Police de 2e classe ; Officier de Police ; Inspecteur de Police ary Brigadier de Police.
👮♂️ Tontosa androany ihany koa ny lanonana ara-miaramila manamarika ny fandraisana fibaikona ho an’ny Talen’ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDRAZAKA Hector ; ary ny lanonana fandraisana fibaikona ho an’ny talem-paritry Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
🇲🇬 Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, izay notronin’ireo Minisitra vitsivitsy mpikambana eo anivon’ny Governemanta.
Nanatrika izany ihany koa ireo olom-panjakana izay nahitàna olom-boafidy sy manam-pahefàna maro, sivily sy miaramila ; ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny.
🤝 Tsy adinon’ireo nahazo fisondrotana laharam-boninahitra ny nisaotra ny fitondràm-panjakàna ary naneho ny fahavononany hanatanteraka ny andraikitra am-pahitsiana hatrany izy ireo, hiaro ny vahoaka , hiasa ho an’ ny tanindrazana mba hampanjaka ny fandriampahalemana.
✅ Nisy ihany koa ny lanonana fametahana ny galona ho an’ireo nisondrotra laharam-boninahitra ho an’ny tany amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka.

