đźââïžđ Lanonana manan-danja telo sosona no notanterahina tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Inspecteurs sy Agents de Police « ENIAP » Antsirabe ny Zoma faha 18 Septembra 2026.
âïž Natomboka tamin’ ny fametrahana eo ambany faneva ireo mpianatra ho Agents de Police andiany faha 31, izay hanomboka ny fampianarana aminâny maha Polisimpirenena manomboka izao; nampisalorana ny anarana hoe « VANONA »: VolontĂ© AssiduitĂ© Norme ObjectivitĂ© NeutralitĂ© Altruisme.
đ Miisa 481 izy ireo no nahavita ny fiofanana fototra nandritra ny 45 andro nahatontosa ny dingana voalohany amin’ ny fiofanana hatramin’ny farany.
đČđŹ Manohy izany, tontosa androany ihany koa ny lanonana ara-miaramila manamarika ny fandraisana fibaikona teo amin’ ireo tale miisa telo; dia ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra, ny Commissaire Divisionnaire de Police TALILY Damy, ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Bongolava ny Commissaire Divisionnaire de Police, RAZAFIARISON Elutin ary ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka ao Itasy, ny Commissaire Principal de Police, RADANIELISON Andry Ny Aina .
đ Manaraka izany, nisy ihany koa ny fitokanana ny toerana fialamboly sy fanaovana lanonana ao aminâny sekoly, « Mess Maevarano », izay natsaraina sy nohavaozina taminâny alalanâny fanampianâireo mpiara-miombonâantoka.
â
đïž Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL, notronin’ny solontena mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Ramatoa Alice N’DIAYE sy ny Lehibenâny Faritra Vakinankaratra, Ramatoa RAVAONIRINA Nathalie Sebastienne ary ny Prefen’Antsirabe Ramatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe Ravakiniaina; Nanome voninahitra izao lanonana izao ihany koa ireo olom-boafidy sy oloman-kanja maro sivily sy miaramila ary ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny hery fiarovana sy Filaminana tonga teto an-toerana.

