©️ Tetikasa notohanan’ny Governemanta Japoney ary nampiharin’ny OIM na ny rantsan’ny Firenena mikambana momba ny Fifindra-monina tany Etiopia, Rwanda, Côte d’Ivoire ary teto Madagasikara ny tetikasa « créer des frontières plus intelligents » na fametrahana ireo sisin-tany ho voaaro kokoa.
👉Nisy ny fisitrahana Fitaovana sy teknolojia vaovao entina anaraha-maso ny sisin-tany indrindra ny mahakasika ireo olona mivezivezy miditra sy mivoaka ny firenena.
➡️ Anisan’ny vokatra lehibe azo ny fanamafisana ny traikefan’ny Polisy miaro ny sisintanin’ny Madagasikara ka samy nisitraka izany ireo Polisimpirenena tao Nosy Bé Hell ville, Mahajanga ary Antananarivo.
📌Araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny Iraky ny OIM eto Madagascar, Andriamatoa Roger Charles EVINA dia manampy amin’ny fanovàna ny fifindrà-monina ho azo antoka kokoa hatrany ny fanatsaràna ny fitantanana sisin-tany, sady miaro kokoa ny mponina sy ny mpifindra-monina amin’ireo heloka bevava iraisam-pirenena.
👮Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana famaranana ny atrikasa teny Ankorondrano ny 18 septembra 2026 ny tale misahana ny fanaraha-maso ny fifindramonina eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police SAMY Harison Olivier ary nambarany tamin’izany fa fototry ny filaminam-pirenena, ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny fampiraisana isam-paritra ny fitantanana mahomby ny sisin-tany.

OIM – MADAGASIKARA / POLISY MIARO NY SISITANY : NAHITAM-BOKANY AMIN’NY FITANTANANA NY SISIN-TANY NY TETIKASA “CREE DES FRONTIÈRE INTELLIGENT”

Vous pourrez aussi aimer