– Fiarovana ny olona sy ny fananany
– Roalahy malaza ratsy amin’ny halatra moto no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Fandriana.
– Nisy ny fitoriana napetraky ny lehilahy iray lasibatra, ny 10 Oktobra 2026, mahakasika ny fahaverezan’ny moto Honda miloko mainty.
-Vokatry ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny Polisy dia voasambotra ny 17 Oktobra 2026 ny lehilahy iray voarohirohy tamin’zany.
– Nandritra ny fanadihadiana natao azy no nanondro ny namany iray izy ka voasambotra ny marainan’ny Alahady 18 Oktobra 2026 ihany koa io mpangalatra moto iray io.
– Tratra tao an-tranony nandritra ny fisavàna ny moto halatra miisa efatra.
– Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria izy roa lahy ireto mba hanohizana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
-Ankasitrahana ireo olom-pirenena tsara sitra-po nanome vaovao ny Polisimpirenena momba izay raharaha izao ka nahazoana ny vokatra.
