🛡️ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana, fiarovana ny olona sy ny fanananany
🔷 Ny 23 Oktobra 2026, lehilahy iray no tratran’ny fokonolona sy ny Polisy misahana ny fifamoivoizana teo am-pangalarana finday teny saralalàna.
👤Lehilahy iray hafa ihany koa no tra-tehaky ny Polisy avy ao amin’ny UIR teo am-pangalarana tao amin’ny tokan-trano iray teny Ambohitrarahaba, ny 22 Oktobra 2026 taorian’ny antso fa misy olona tafiditra ao an-trano ary nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano.
↔️ Tetsy ankilany, teny Tanjombato, lehilahy efatra no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny UIR miasa eny an-toerana, tamin’ny tranga roa samihafa ny 23 Oktobra 2026. Ny roa dia nangalatra entana sady nanendaka teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, ary ny roa hafa kosa nanendaka olona teny amin’ny lalam-by, ka nahavery solosaina sy finday. Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato izy ireo.
🟠 AVARATANANA – AMBODIMITA – AMPARIBE – ANKADIVATO : ny 23 oktobra 2026, Olona efatra no voasambotra tamin’ny tranga samihafa, dia ny fangalarana zava-pisotro sy solosaina, ny fisintonana finday tao anaty fiara fitateram-bahoaka, ary ny famakiana fiara mba hangalarana ny ao anatiny. Mitohy ny fanadihadiana momba ireo raharaha ireo.
➡️ Tetsy amin’ny rond point Ankadimbahoaka, lehilahy roa no tratran’ny Polisin’ny CUI avy ao amin’ny Kaomisaria foibe ny 24 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, taorian’ny fanendahana olona roa . Mitondra antsy lava ireo mpanendaka amin’izany.
💰 Anisan’ny entana lasan’ireo mpanendaka ny finday roa, vola 30.000 ariary. Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ireo voasambotra, hanaovana fanadihadiana.
🔵 TANJOMBATO : Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny UIR ny 24 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, taorian’ny fitarainan’ny mpivady iray voaendaka teny amin’ny lalam-by Alhambra mihazo an’i Saropody. Natolotra ny mpanao famotorana tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato izy ireo ary mbola misy namany karohina.
📌 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana hahasahy hitoroka ireo mpanao ratsy.

ANTANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA : MITOHY NY ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA KA OLONA 13 NO VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY FANDIKAN-DALANA SAMIHAFA, MISY MPANENDAKA SY MPANGAROM-PAOSY

Vous pourrez aussi aimer