đź”· Ny alin’ny 29 Jolay 2026 tokony tamin’ny 10 ora alina, ankizivavy 14 taona iray no taraiky fodiana teny Ankorahotra rehefa tsy nahatratra fiara fitateram-bahoaka hody any Ankadindratombo.
👉 Nandritra ny fisafoana nataon’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana (VFP) nanao andrimasom-pokonolona niaraka tamin’ny Polisy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Faharoa no nahitana azy, ka nanontaniana ny toerana halehany.
âś… Rehefa voamarina ny zava-misy fa tara fodiana tokoa ity zaza-vavy ity no tsy nahazo taxibe dia nanatitra azy nody tany an-tranony ny Polisy mba hiantohana ny fiarovana azy.
🟢 Tonga soa aman-tsara tany amin’ny reniny ilay zazavavy ary natolotra teo am-pelatanan’ny fianakaviany.
🔅 Ahitam-pahombiazana hatrany ny fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo fokonolona izay mivondrona manao andri-maso tahaka izao ; mandray ny andraikitra tandrify azy amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana ny rehetra.

ANKORAHOTRA, ANKIZIVAVY 14 TAONA TARAIKY FODIANA, NATERIN’NY POLISY SOA AMAN-TSARA TANY AN-TRANONY

Vous pourrez aussi aimer