PMPM ANTSIRABE – FANAMPIM-BAOVAO MAHAKASIKA IREO ANKIZY ROALAHY TANY ANTSIRABE NIVOAKA FB : EFA HITAN’NY POLISY NY TRANON’IZY ROALAHY ARY MISY NY FANAMPIANA OMENA AZY IREO

Nisy namoaka teto amin’ny tambazotra fb ny fiainan’izy roalahy kely ireto ary voalaza fa sahirana ara-pivelomana ireto farany ka mandeha mitady vola hividianany sakafo ho an’ny zokiny migadra.
👮‍♀️ Voaresaka ihany koa tao anatin’ilay « publication » fa efa maty ny rainy ary ny renin’izy ireo dia marary tsy afa-mihetsika ao an-trano ary ny zokiny ilay migadra.
Manoloana izany tranga izany dia nidina ifotony hanampy azy roalahy ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ao Antsirabe ary hita ny trano fonenan’izy ireo.
✅️ Salama tsara ny renin’izy roalahy ary diso ny filazana fa marary tsy afa-mihetsika ny trano ity farany . Sahirana ara-pivelomana tokoa izy ireo satria miisa 10 ny zanak’ilay ramatoa ary efa maty vady izy .
✅️ Rehefa natao ny fifampiresahana tamin’ny fianakaviana mahakasika ny fanampiana afaka omena azy ireo dia hidina ifotony hijery ity fianakaviana ity ny Minisiteran’ny mponina any Vakinankaratra.

PMPM ANTSIRABE – FANAMPIM-BAOVAO MAHAKASIKA IREO ANKIZY ROALAHY TANY ANTSIRABE NIVOAKA FB : EFA HITAN’NY POLISY NY TRANON’IZY ROALAHY ARY MISY NY FANAMPIANA OMENA AZY IREO

Vous pourrez aussi aimer