👮♂️ Lehilahy iray mamita sazy ao amin’ny fonjan’i Morondava, voalaza fa nandositra no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CRFIP Menabe teo amin’ny sakana Bemanonga ny Talata 25 Aogositra 2026 tokony tamin’ny 09 ora alina.
🔎 Taorian’ny nahazoan’ny Polisy ny fampahalalana sy ny famaritana momba ilay voafonja, dia natao ny fisavana sy fanaraha-maso teny amin’ny sakana natao eny an-dalana ka nahazoana izao vokatra izao.
✅ Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny Polisy izy hanaovana ny fanadihadiana sy handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izany.
MENABE : VOAFONJA IRAY NANDOSITRA TAO AMIN’NY FONJAN’I MORONDAVA VOASAMBOTRY NY POLISY
